***FILAZANA MANOKANA MAHAKASIKA NY TOETRY NY ANDRO ANKAPOBEANY***

Novokarina ny 20 Janoary 2022

  • Ny toetry ny andro ankehitriny

Mbola mitoetra tanteraka eto amintsika ny oram-pahavaratra izay somary manjombona na handrahona arahina orana malefaka indraindray ny maraina fa mety hivadika oram-baratra kosa ny tolak’andro, ny hariva ary ny alina. Izany dia mbola ho hita taratra amin’ny tapany Avaratry ny Nosy ( Melaky, Boeny, Sofia, Diana, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra ary Sava). Somary hihamalefaka kosa izany mankamin’ny faran’ny herinandro ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Anosy Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Menabe, Amoro’i Mania, Vakinankaratra, Analamanga, Itasy, Bongolava ary Betsiboka.

  • Ny mety ho fivoaran’ny toetry ny andro ankapobeny

Eo anelanelan’ny 23 Janoary 2022 hatramin’ny faha 26 Janoary 2022 dia hisy andro ratsy izay  hitondra orana betsaka     any amin’ny ireto faritra ireto Analanjorofo, Sava, Sofia, Diana, Boeny, Betsiboka ary ny any amin’ny faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Hahiana izany ny fiakaran’ny renirano, ny tondra-darano ary ny fihotsahan’ny tany.

  • Ny fizotran’ny fiforonana rivo-doza

Azo antoka  hisian’ny fiforonana ny Sabotsy maraina. Ny fizotrany kosa dia hahazo ny 1/3 Avaraty ny Nosy avokoa, noho izany dia hitohy hatrany ny rotsak’orana ho an’ireo faritra Avaratra ireo manomboka any Melaky, Betsiboka, Alaotra Mangoro ary Atsinanana no mianavaratra.

Source: METEO / BNGRC 

Auteur

Admin

Admin

Administrateur du site.