Novokarina ny 20 Janoary 2022
- Ny toetry ny andro ankehitriny
Mbola mitoetra tanteraka eto amintsika ny oram-pahavaratra izay somary manjombona na handrahona arahina orana malefaka indraindray ny maraina fa mety hivadika oram-baratra kosa ny tolak’andro, ny hariva ary ny alina. Izany dia mbola ho hita taratra amin’ny tapany Avaratry ny Nosy ( Melaky, Boeny, Sofia, Diana, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra ary Sava). Somary hihamalefaka kosa izany mankamin’ny faran’ny herinandro ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Anosy Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Menabe, Amoro’i Mania, Vakinankaratra, Analamanga, Itasy, Bongolava ary Betsiboka.
- Ny mety ho fivoaran’ny toetry ny andro ankapobeny
Eo anelanelan’ny 23 Janoary 2022 hatramin’ny faha 26 Janoary 2022 dia hisy andro ratsy izay hitondra orana betsaka any amin’ny ireto faritra ireto Analanjorofo, Sava, Sofia, Diana, Boeny, Betsiboka ary ny any amin’ny faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Hahiana izany ny fiakaran’ny renirano, ny tondra-darano ary ny fihotsahan’ny tany.
- Ny fizotran’ny fiforonana rivo-doza
Azo antoka hisian’ny fiforonana ny Sabotsy maraina. Ny fizotrany kosa dia hahazo ny 1/3 Avaraty ny Nosy avokoa, noho izany dia hitohy hatrany ny rotsak’orana ho an’ireo faritra Avaratra ireo manomboka any Melaky, Betsiboka, Alaotra Mangoro ary Atsinanana no mianavaratra.
Source: METEO / BNGRC